Ny trano nofisiko …

Trano sady tsara endrika no mifanaraka amin’izay ilaiko eto Madagasikara

Tongasoa eto amin’ny site-n’ny Trano 3D. Izahay dia orinasa malagasy manam-pahaizana manokana momba fanaovana sarin-trano (ingénierie & architecture). Ingénieurs sy teknisiana matihanina amin’ny bâtiments & architecture no mandray an-tanana ny asa ato. Ankoatra izay dia efa nandray tetikasa mahery ny +800 izao izahay [2021]. Na trano hipetrahana manokana, na trano lehibe (immeubles), na tranom-barotra (centres commerciaux), na restaurants, na hôtels… dia samy ao anatin’ny farim-pahaizanay avokoa.
trano moderne madagascar 01
Tranon’olona manokana mampanao études ato amin’ny Trano 3D.

Tolotra mifanaraka amin’izay ilaina

Na ny sary 3D-n’ny trano na ny  plans d’architecture ataon’ny Trano 3D dia antoka ho an’ireo izay miantso anay hoe ho mafy sy tsara endrika ny tranony ary indrindra mifanaraka amin’izay ilainy. Ny devis quantitatif & estimatif avoakan’ny Trano 3D dia efa kajiana mialoha mba hifanaraka amin’izay teti-bolan’ireo te hanangana trano.
Ankoatra izay dia azo atao tsara mihitsy koa ny manao ny fandaminana sy fanaingoana ny anatin’ny trano (3D intérieur). Arindranay ny : endrika, loko, akora ampiasaina mba hanana efitra mifanaraka amin’izay tena mety sy mahafinaritra.
Momba ny fanatanterahana ny asa fananganana dia afaka ankininao tanteraka amin’ny Trano Bat , izay mpiara-miasa akaiky amin’ny Trano 3D ihany. Trano mifanaraka tsara amin’izay nataonay sary no atolony ho anao ary momba ny fizotran’ny asa sy ny fandohavam-bola dia azo anatonana izy.

Ny kalitao : laharam-pahamehana

Anisan’ny jeren’ny Trano 3D akaiky ny fahafampon’ireo izay miantso azy ; ary izany indrindra no mahatonga ny fandalinana ny asa eny amin’ny tany izay hanaovana ny fananganana sy firesahana tsara amin’ny tompon’ny asa ho atao mialohan’ny hanombohana ny sary. Anisan’ny anton’io fijerena akaiky ilay tany hanorenana trano io ihany koa ny mba ahatonga ilay trano hifanaraka amin’ny zava-misy eny an-toerana sy ireo normes rehetra momba ny trano. Hany ka na afaka 10 taona aza dia mbola ho tsapa fa tsara firafitra ilay trano.
Sady manaraka ny fenitra rehetra takiana eto Madagasikara ny asa atolotry ny orinasa.
Raha ny endrika indray no resahana dia ny Trano 3D no hanome izay tsara indrindra azonao eritreretina mahakasika ny trano. Mitambatra ao anatin’izay hatsarana koa nefa ny fahafahana manangana azy sy ny faharetan’ilay trano.
Trano gasy modern (3D architecture)
Trano gasy efa nataon’ny ekipan’ny Trano 3D modern kokoa.

Ekipa mahay miasa ho anao manokana

Ny mahamatihanina anay no tena mampiavaka ny ekipanay. Tena zava-dehibe aminay mihaino tsara izay miantso anay. Ary rehefa manao ny sary izahay dia maminavina ny fanatanterahana azy foana. Mazava ho azy fa ananan’ny ekipa ato amin’ny Trano 3D koa ny fahaizana rehetra hanatanterahana ny asanao.
Ingénieur Bâtiment Madagascar
i Cyprien-Ingénieur sy i Kevin-Designer 3D ato amin’ny Trano 3D

Na ny olona ambony toerana ary mahatoky ny Trano 3D

Maro ireo olona tsy mety miala amin’ny Trano 3D noho ny hatsaran’ny asa ataony : ny Présidence de la République de Madagascar, mpandraharaha, mpiasam-panjakana, dokotera, mpivarotra, mpanao sakafo, mpamboly, mpiasa birao, …

Présidence de la République de Madagascar - Andry Nirina Rajoelina - Trano 3D
Ny Président Andry Rajoelina mametraka ny vato voalohany ho an’ilay hopitaly nampanaoviny 3D anay.

9 réflexions au sujet de “Ny trano nofisiko …”

  1. Bjr! Aty am province za mipetraka ka te hanangana trano eo am 8 M sur 10 eo, eo am 4 ch, salon sy cuisine ouvert ka mangataka devis exacte.

    J'aime

  2. Bjr. Je voudrais avoir un plan et devis quantitatif relatif à un bâtiment type villa basse en mur parpaing de 12mx10m contenant 1 living, 4ch., 1 cuisine, WC exterieur. Votre proposition sera la bienvenue. Nous sommes en province. Merci d’avance.

    Aimé par 1 personne

  3. salama Tompoko,
    Ianareo ve afaka manome tarifs hoe ohatrinona ka hatramin’ny ohatrinona no manao plans trano ? ohatra hoe raha trano étage 01 ka 12m sur 10 ohatra dia zao ny tarifs.Sa hoe tena miankina am détails rehetra mits vao afaka manome tarifs PLANS ftsn aloha.Mercii

    J'aime

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l’aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s