Uncategorized

Ny trano atao 3D

Ny 3D amin’ny architecture

Rehefa manao trano isika dia mety tsy mahazatra antsika ny mampanao trano 3D kanefa rehefa ho fantatrao ny tena ilana azy dia tena ho liana tokoa ianao. Zava-dehibe tokoa ny mampanao azy satria io no ahitana mazava tsara ny endrika ivelan’ny trano rehetra : loko, haingo, …
Ny 3D dia sary virtuelle, mamoaka ny endriky ny tranonao ho toy ny tena mivaingana. Hita amin’ny antsimpirihany ao izay zavatra rehetra tsy hita amin’ny plans. Izany hoe mialohan’ny hidirana amin’ny finitions no tsara hampanaovana azy. Fa ny tena tsara raha tonga dia atao miaraka amin’ny plans. Vues en perspective koa no fiantson’olona sasany ny 3D : izany hoe hita miorirana ary mipetraka amin’ny axes x, y sy z ny sary 3D. Ny plan 2D tsinona dia tsy hita afa-tsy amin’ny axes x sy y ihany. Marihana nefa fa tsy ampy ny manao 3D fotsiny satria tsy mahasolo ny plans velively izy io fa fanampiny, izany hoe mameno izay tsy vitan’ny plans azavaina. Ny plans d’architecture tsinona no ahitana ny refy rehetra sy fanazavana ara-teknika.

Ireo karazana 3D-na trano Madagascar

Ivelany

Mampiseho mazava tsara izay mety ho lokon’ny tranonao. Ankoatran’ny loko dia mampiseho ny antsimpirihany rehetra koa izy io : ny sarisary amin’ny varavarana, ny varavarakely, ny arofanina, ny pergola, ny tafo,… Ny 3D koa dia ahitana ny mety ho akora ho ampiasaina amin’ny fanamboarana.

Anatiny

Aménagement intérieur/design intérieur

Fandrindrana ny rafitra anatina efitra iray izy io. Ny design intérieur dia sady mampiseho loko, akora … ohatran’ny ivelany fa mihoatran’izay dia mampiseho ny endrika kojakoja toy ny fanaka, ny jiro sy ny haingon-trano rehetra.

intérieur 3D salle à manger madagascar by trano 3D

Vue éclatée/plan témoin

Mitovitovy amin’ny aménagement intérieur ny vue éclatée fa izy tsy miditra amin’ny antsimpirihany fotsiny. Amin’ny vue éclatée tsinona dia miaraka hita avokoa ny efitra rehetra isaky ny rihana. Ka mazava ho azy fa hita amin’ny ankapobeny fotsiny ny fitoerany sy ny lokon’ireo fanaka sy haingo ary ny akora nanaovana azy.
Ny 3D intérieur dia tsy voatery miaraka amin’ny fanaovana extérieur satria mila manampahaizana manokana momba ny design intérieur ny manao azy. Ary mety ho gaga ary ianao satria tsy tena mora (na ny fahasarotany na ny vidiny) ohatran’ny manao ny ivelany ny manao ny anatiny.
30730035_841968182670933_8298017347201925120_o

Iza no antsoina raha hampanao 3D ?

Tsara aloha ny mahalala fa rehefa hisafidy mpanao 3D Madagascar isika dia ireto avy no jerena :

  • Ny goûts-ny amin’ny architecture : na hanao trano manaraka ny toetrandro na hanao trano gasy dia tsara raha maka olona mahay mamoaka izay hevitrao kanefa manana hevitra aroso koa hanatsarana azy.
  • Ny fahafehezany ny fanaovana modélisation 3D : ny mora ahafantarana hoe mahafehy azy ve ny designer iray sa tsia dia mila mampitaha izay sary avoakany amin’ny hafa.
  • Ny antsimpirihany : raha tianao ho fantatra hoe mahay ny mpanao 3D iray dia jereo amin’ny antsimpirihany ilay sary fa tsy ny ankapobeny fotsiny (marokoroko ve ny rindrina sa toa malama loatra tsy « normal » ? ny lokon’ilay trano ve mba manakaiky ny tena zava-misy sa tena zavatra hafa mihitsy ? nasiany zava-maniry ve ilay toerana mba hanaingoana azy ? …).
    Ny fehiny dia hoe mila miantso « professionnel » amin’ny fanaovana 3D ianao raha te ahazo trano tsara sy tena mifanaraka amin’izay ilainao.

Comparaison débutant et pro

Ny vidiny

Ho an’ny ivelany : Ny vidin’ny maquette 3D eto Madagascar raha olona tena afaka manome fahafahampo anao no hanatonana dia manodidina ny 4000Ar/m² habitable hatramin’ny 15000Ar/m² habitable (surface habitable = surface bâtie + surfaces des étages). Izany hoe raha 300m² ny tranonao dia mety ho manomboka 1.340.000Ar ny 3D. Na izany na tsy izany aza nefa dia mety ahita mpanao 3D tsy professionnel koa ianao izay manao mora hatramin’ny 3000Ar/m² habitable, izay marihina fa tsy dia mifanalavitra amin’ny vidin’ny an’ny matihanina. Mazava ho azy fa raha trano no resahana, satria ny tranonao tsy ho ovaovaina matetika, mety kokoa ny manatona professionnel. Ny trano 3D izay hoavoakan’ny designer-nao tsinona no ho endriky ny tranonao hitoetra.
Ho an’ny anatiny : raha maka matihanina dia mety manodidina ny 15000Ar/m² ny 3D. Fa raha manaonao 3D fotsiny no antsoina dia mety ahita na dia hatramin’ny 10000Ar/m² aza.
Fanamarihana : mora lavitra ny 3D rehefa angatahana miaraka amin’ny plans d’architecture.

Sary 3D VS Maquette physique

Maquette physique

Maquette physique foana no nampanaovina hatramin’izay noho ny fahafahana mitsapa sy mijery mivaingana (ara-bakiteny) azy kanefa misy tsy mahatsara an’io loatra :

  • Sarotra kokoa ny mandrava sy manova ny endrik’ity farany raha mihoatra amin’ny sary 3D
  • Na tena manana akora maro aza ilay maquettiste gasy manao azy dia tsy ho tafavoaka loatra arak’izay nieritreretanao azy ilay trano noho ny ahakelin’ilay maquette
  • Marina fa mety hanakaikikaiky izay tena izy ihany ilay maquette atao kanefa misy karazana matériaux tsy ho tafavoaka mihitsy raha tsy amin’ny 3D

Sary 3D

Ny sary 3D dia mamoaka ny endriky ny trano tianao amboarina arak’izay tena ho fivoakany rehefa vita ny fanamboarana rehetra :

  • ny haingony
  • ny lokony
  • ny karazana akora ampiasaina (carreaux, varavarana, fitaratra …)
  • firafitra tsy hita anaty plans 2D

Na izany aza nefa dia mbola maro ireo mampanao maquette : ny fanjakana sy ireo orinasa lehibe sasan-tsasany. Fa raha hanao trano ho anao manokana ianao na orinasa te hamoaka izay mety ho tena endriky ny birao na fivarotanao, dia tsara kokoa ny manao trano Madagascar amin’ny endriny 3D aloha.

Tsidio dien’izao ny pejy facebook-nay Trano 3D raha mila  fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny plans d’architecture na 3D amin’ny fanamboarana trano Madagasikara.
Na miantsoa : +261325367639 / +261349696373
Mail : trano3d@gmail.com

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s