Sur Trano 3D

Trano hipetrahana : ny tokony atao raha vao hanorina

Ankoatran’ny vola hanaovana azy dia misy lalàna tsy maintsy arahana ny fanamboarana trano eto Madagasikara. Tsy zavatra kelikely izany ary misy fepetra mila arahana raha te hanana trano tsara endrika sy mateza ary manara-dalàna.

Ahoana hisafidianana ny tany ?

Mazàna moa isika rehefa manapa-kevitra ny hanao fanorenana vaovao dia mijery tany somary misitaka ny renivohitra. Ny mahatsara izay dia afaka migalabona tsara amin’ny fanamboarana saingy tsy manakana ny fanorenana trano an-drenivohitra koa nefa izany raha manana tany. Fa na an-drenivohitra na somary any ambanivohitra no misy anao dia mila hevitra teknisiana foana mahakasika ny tany. Noho izany dia tsara ny miantso géomètre mba handrefa sy hampahalala ny mombamomba ilay tany rehetra alohan’ny hanaovana fanorenana. Ity farany no mampahalala raha azo hananganana trano ilay tany, ary izy no mampahafantatra antsika hoe toy inona ny tokony atao an’ilay tany alohan’ny hampiasana azy. Ampahafantariny ihany koa ny mombamomba ny lalan-drano.terrassement excavation terrain

Tsy maintsy atao ve ny plans ?

Mbola maro amintsika no manangana trano tsy misy plans noho ny tahotra ny amin’ny sandan’ny fanaovana izany. Kanefa ireo plans sy 3D ireo dia miantoka ny hamafy sy ny hatsaran’ny tranonao. Izany hoe sady miantoka ny sécurité no miantoka ny confort. Ny Trano 3D dia cabinet d’architecture afaka manome plans d’architecte sy devis ary 3D tsara indrindra ho anao. Izany études izany dia mifanaraka amin’izay izay tena ilainao. Ireo plans ireo dia anisan’ny dossier hakanao permis de construire any amin’ny firaisana izay misy anao.

plans

Inona no atao mandritran’ny chantier ?

  • Ny fandavahana sy ny fanaovana terrassement
  • Ny fametrahana ny fototra
  • Ny fandrarahana ny béton– Ny fananganana ny rindrina
  • Ny fametrahana ny tafo
  • Ny fampifandraisana ny rano, jiro sy ny fivoahan’ny rano efa niasa
  • Ny fametahana ny carreaux
  • Ny fametahana ny varavarana sy varavarakely
  • Ny fandokona
  • Ary ny finitions isan-karazany

3 réflexions au sujet de “Trano hipetrahana : ny tokony atao raha vao hanorina”

  1. fa raha any ambanivohitra anie no manao trano de tsy maintsy mila rano e, tsy voresaka mitsy ny momba zany nefa , ny mijery rano no ilaina voalohany indrindra de zay vao afaka manao trano , tsy hety mitsy ny tranonao raha tsy misy rano , na de fotsiny aza hoe anaovana lalotra

    J’aime

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l’aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s